Upload

Loading...

"Mizotra mankany Ziona" - sarimihetsika tranofiara amin'ny teny Malagasy

437 views

Loading...

Loading...

Loading...

Rating is available when the video has been rented.
This feature is not available right now. Please try again later.
Published on Apr 11, 2015

http://www.faithfulwordbaptist.org/m2...

"Marching to Zion" trailer in Malagasy

000 taona lasa izay, niseho tamin'i Abrama tao Mezopotamia Andriamanitra ary niteny taminy hoe "Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho." Nanaiky ny tenin'ny Tompo i Abrama ary nankany Kanana, ilay tany nampanantenaina, ary nonina tao niaraka tamin'i Isaaka zanany sy i Jakoba zafikeliny izay lasa "Israely" ny anarany taty aoriana.

Nidina nankany Ejipta i Israely sy ireo zanany lahy 12 noho ny mosary nanjo ny tany Kanana ary rehefa tao izy ireo dia nitombo lasa firenena goavambe. Nahatsiaro ambanan-doza ireo Ejipsianina nanoloana ilay firenena Israely matanjaka niara-nonina taminy, ka nandevoziny izy ireo ary nataony nangidy tamin'ny fanompoana mafy ny fiainan'izy ireo. Afaka 430 taona tao Ejipta dia notarihin'i Mosesy hiala tamin'ny fanompoana izy ireo, avy eo niampita ny Ranomasina Mena ary nankany Arabia, rehefa tao izy ireo dia nahazo ny lalànan'Andriamanitra tao amin'ny Tendrombohitra Sinai.

Ny taranaka Israelita izay nandao an'i Ejipta niaraka tamin'i Mosesy dia tsy navela hiditra tao amin'ny tany nampanantenaina noho ny tsy fahampian'ny finoany an'Andriamanitra. Noterena hirenireny tany an'efitra nandritra ny 40 taona izy ireo mandra-pitsangan'ny taranaka vaovao iray izay natoky ny Tompo ary niditra tao amin'ny tany nampanantenaina niaraka tamin'i Josoa.

Nandritra ny 400 taona teo ho eo, ireo fokon'i Israely 12 dia nofehezin'ireo Mpitsara araka ny lalànan'i Mosesy. Rehefa naniry hanana mpanjaka toy ny firenena hafa rehetra izy ireo dia notendren'Andriamanitra ho mpanjakan'izy ireo i Saoly izy nanjaka nandritra ny 40 taona, narahin'ny Mpanjaka Davida izay nanjaka nandritra ny 40 taona ary ny zanak'i Davida, i Solomona, izay nanjaka nandritra ny 40 taona. Nandritra ny nanjakan'i Solomona, ny fanjakan'i Israely dia tao anatin'ny fotoana nampiroborobo azy indrindra, ary naorina ny tempoly voalohany, nefa satria ny fon'i So lomona nihodina tamin'ny Tompo nandritra ny fahanterany, niteny taminy Andriamanitra fa ny 10 amin'ireo foko dia tsy hanjakan'ny zanany lahy.

Taorian'ny nahafatesan'i Solomona dia nozaraina ny fankajan'i Israely, ary ireo foko 10 tavaratra nentin'ny mpanjaka ratsy fanahy nifanesy, izay tsy taranak'i Davida sy i Solomona. Io Fanjakana Tavaratra io dia nitana ny anarana Israely ary nony ela dia Samaria no renivohiny. Lasa fantatra tamin'ny anarana hoe Joda ilay Fanjakana Tatsimo kely kokoa, Jerosalema no renivohiny, ary nanjaka tao ireo taranak'i Davida. Manomboka ao amin'ny 2 Mpanjaka 16, ny olon'ny Fanjakana Tatsimo dia lasa fantatra amin'ny fiantsoana hoe "Jiosy" avy amin'ny anaran'ny fanjakan'i Joda.

Loading...

When autoplay is enabled, a suggested video will automatically play next.

Up next


to add this to Watch Later

Add to

Loading playlists...