Loading...

Gabhy Ratsito - Adin'ankizy [Ratsito]

63,645 views

Loading...

Loading...

Rating is available when the video has been rented.
This feature is not available right now. Please try again later.
Published on Oct 9, 2012

GHABY RATSITO
ADIN' ANKIZY

Ialahy leity aza mihetraketraka fotsiny izao a!
Alazanay amin'ny mamanay, ialahy mamono an!
MAMA an! MAMA an!
Maninona ?

Izahay vonoin'i Ndriana fotsiny izao,
Aiza izy ?
Ahoana ny zanako no vonoina ry Ndriana ? Ahoana no vonoin'i Ndriana? Ahoana no vonoina ny zanako?


Maman 'i Lita a ! maman'i Lita o!
Ahoana ? misy itadiavanao ahy angaha ?

1-Nahoana ny ankizy no asian-tehamaina ry maman'i Lita
Mamely ny ahy ka tsy maintsy asiako fa zaza maditra
Izay adin'ankizy avy ve ramatoa ka dia hanorisory
Rahefa tsy faly re izato ianao andeha re mitory

2-Tandremo ny vava sao andoavam-patanty, mba lanjalanjao o
Raha misy alahelo aza mahery an-trano, fa avia hifanao
Izaho anie akory tsy misotasota na hoe mila ady
Mivoaha koa tao fa ny heriko ampy ny sandrim-behivavy

3-Ianao indray izay no tahaka ny mamo miantso pôlisy
Raha toa ka ny sandry no tadiavin-dry ny aty koa misy
Hajaiko farany re izato ianao, satria aho zandry
Midina r'ikala mi-tava-navitrana f'izaho koa miandry

4-Aleo ho avy eo, aleo ho avy eo
Ho hitako hasiako avy hatrany
Aleo ho avy eo
Ataoko mijaly sy mitomany
Aleo ho avy eo

5- Avereno kely hoe ity vavan-dry ry tavan-tsoavaly
Izay ela izay aho tsy mba niteny ary tsy mba namaly
Izaho koa anie tsy mataho-maso mena fa lazaiko an-dry
Mivandravandra toa mason-tsoavaly ikala dondrona ity!

6- Ahoana ny zanako..
ny anao mamely ny ahy ka, ahoana no tsy asiako
ahoana no mamely ny ahy ny ahy ianao
tsy mahalala mandefitra
an an an
He! inona ary ity ?
tsy mahalala ny nitaiza mihitsy aho

7- Aleo re ho asiako
Aoka re ramatoa
Asiako kely fa mitady ahy
Aoka re ramatoa
Izay io avy koa no hanadala ahy
Aoka re ramatoa!

8- Aleo re ho asiako
Aoka re ramatoa
Potika teo io raha tsy voatàna
Aoka re ramatoa
Izaho no mba hivazavazàna
Aoka re ramatoa

Andao letsy hilalao ry Lita a
ity ny mofon'ialahy efa nomen'i mama mofo aho an
ndao letsy ah...

RODOBE:
Izay adin'ankizy avy ve moa rahavana o
No entina hanimba ny fifankatiavana
Teo izy niady nifandritarita
Nefa miombona rehefa afaka iray minitra

Koa iza dia iza no voa amin'izany
Satria ireo ankizy dia miombona ihany
Ny fahafaham-baraka va re tsy hifafy
Raha adin'ankizy no atao hampirafy

(c) (p) Decco Discomad Madagascar 1962

Loading...

When autoplay is enabled, a suggested video will automatically play next.

Up next


to add this to Watch Later

Add to

Loading playlists...