Anosizato Atsinanana / Namontana, fanentanana ho fampanajana ny zon'olombelona no nataon'ny Plate Forme des Associations Pro-Ravalo ny maraina io. Tena ilaina ny fanentanana toy izany hoy ny lehiben'ny Fokontany teny an-toerana satria betsaka ny mahatsapa fa tsy voaaja ny zony amin'ny maha-olombelona azy. Tsapa miharihary izany amin'ireo loto sy trano tsy ara-dàlana hita teny.
Magro Behoririka: Miandry ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc fotsiny ny vahoakan'Antananarivo. Tsy voasakana intsony ny fiverenany. Miovaova fiteny ny FAT. Ilain'ny Malagasy tsy vaky volo ny filoha RAVALOMANANA. Mitohy ny antso atao amin'ny iraisam-pirenena. Tsy mahazo mitondra ny tetezamita sy tsy mahazo milatsaka ny mpanongam-panjakana araka ny fanarahana iraisam-pirenena manankery eto Madagasikara.
Nisy ny tatitra ny fanetsehana ny fotory ny TIM tany Mahajanga. Maro ny vahoaka tonga marobe. Niditra nivantana tany ny Filoha Ravalomanana Marc. Nisy ny fanamarihana natao tamin'ny FAT minisitra Rolly Mercia. Tsy mahalala vaovao nohon'ny fankanesana any ambanivohitra ny minisitra ka tsy mahafantatra fa ny Sori-dàalana nataon'i Simao dia lany andro sy tsy azo ampiasaina.
Mitsikafona manerana izao tontolo izao ny afera maloto ataon'ny mpanongam-panjakana FAT. tsy voahaja ny fenitra sy ny lalana eto Madagasikara.
Ny dep. isany Zafilahy Rakotomandimby Stanisilas, Rodin Georges Rakotomanjato, Rtoa Malalatina Vehivavy MFM no anisan'ny nandray anjara fitenenana teny.
Link to this comment:
All Comments (0)