Alert icon
We're changing our privacy policy. This stuff matters.  Learn more  Dismiss

Dadabe - Jeneraly

Loading...

Sign in or sign up now!
Alert icon
Upgrade to the latest Flash Player for improved playback performance. Upgrade now or more info.
3,926
Loading...
Alert icon
Sign in or sign up now!
Alert icon

Uploaded by on Mar 4, 2011

Tantara iray ndray alina izay
Teny amin'ny toeram-pilalaovana anankiray
No nahatazanako tsy nahy
An'i dadabeanay
Vehivavy iray mihanahana
Efa godraky ny hadalana
No misakambina azy
Tena nigagana
Fahotany ve izany sa tsia ?
Raha toa miverina indray i dada mba hanao fitia
Nenibe any an-tanana tsy mahalala izany hadalana
Mihevitra fa eny amin'ny diavolana izy
No mitantara angano sy milalao amin'ny ankizy
Tara i Nenibe, diso i Nenibe
Dadabe am'zany mba miezaka ihany an, an !
Mba manararaotra farany
Manohy ny tantarany
Na izaho aza mba menatra
Nefa miezaka ny hamantatra
Miezaka ny hamantatra ny fiainan'ireo lahiantitra

Nony afaka adin'ny iray
Dia indro i Dada fa andeha hody am'zay
Ny fandehany toa mivembena
Ny tarehany feno lokomena
Taitra i Nenibe dia nihoraka
Nahita sotrobe dia nitoraka
Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe
Dadabe am'zany efa bilabila ihany an, an !
Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e !
Teo vao nipetraka ny fanontaniana,
Nankaiza ny firotsaka ?
Nozaraina sa nariana ?
Ny valiny nomen'i Dadabe dia
Sady nozaraina no nariana !
Ary mbola nampiany tamin'ny hoe
Sady nozaraina no nariana !
Ary nofaranany tamin'ny hoe
Sady nozaraina no nariana !

Nony afaka adin'ny iray
Dia indro i Dada fa andeha hody am'zay
Ny fandehany toa mivembena
Ny tarehany feno lokomena
Taitra i Nenibe dia nihoraka
Nahita sotrobe dia nitoraka
Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe
Dadabe am'zany efa bilabila ihany an, an !
Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e !
Teo vao nipetraka ny fanontaniana,
Nankaiza ny vola aman-karena ?
Nozaraina sa nariana ?
Ny valiny nomen'i Dadabe dia
Sady nozaraina no nariana !
Ary mbola nampiany tamin'ny hoe
Sady nozaraina no nariana !
Ary nofaranany tamin'ny hoe
Sady nozaraina no nariana !

  • likes, 0 dislikes

Link to this comment:

Share to:
see all

All Comments (1)

Sign In or Sign Up now to post a comment!
  • aaaaaaa dadabe toka lahy lol

Loading...
Alert icon
0 / 00Unsaved Playlist Return to active list
    1. Your queue is empty. Add videos to your queue using this button:
      or sign in to load a different list.
    Loading...Loading...Saving...
    • Clear all videos from this list
    • Learn more