Ity hirako ity dia atolotro Anao,
Hatsiarovanao ny anarako
Raha ho lasa any ianao ka ho lavitra ahy,
Veloma mandrapihaona.
Aza adino lalan-dava fa mpinamana isika,
Tsy mba nifankafoy tely.
Mpizara alahelo, mpizara hafaliana
Izaho sy lanao, hatramin'izao.
Very namana aho nilaozanao
Ka iza indray izao no antenaiko
Hilazako ny manahirana ahy
Hisolo ny toeranao.
Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana
No hampisy ny fanadinoana,
Fa sento tokana monja ary tsiahy iray minitra
Dia ampy hampiray antsika
Koa raha manina ianao, ka te-hanoratra
Ny aty tsy miova adiresy
Tsy miova fanahy, tsy miova fitia
Fa miandry Anao.
Ça me donne tjr la chair de poule!!!!!
Rev56700 1 day ago
.....hahatsiarovanao ny anarako,...........mandra-pihaona!
henjanab12 1 week ago
Tena tsara. Malahelo Madagasikara be lohatra aho!
BYUCougarFan31 3 weeks ago
mahatsiaro ny fahiny
MultiZaza1984 2 months ago
très belle chanson ,elle me rappelle mon enfance
Anaokoabatia 3 months ago in playlist My rétro
fahatsiarovana sisa, vao 16 taona izay namako tany amin'ny collège izay dia nipahon'ny fahafatesana, ny tenanao no lasa zany namako izany fa ny fahatsiarovana anao dia mbola ao ampoko ao foana (ity hira ity dia hira hirainay roa foana isaky ny fakandrivotra, mandria ampiandanana ry Volana, hoy ny namanao tsy mahafoy anao Harivola)
yannou568 3 months ago
tena mampalahelo ny fiainana taloha tokoa ty hira é!!! ny vacances ta tamatave!!!
misaryable 5 months ago
que du bonheur!!!
Aventuriere100 5 months ago in playlist madagascar
Tena hatsiarovako zay namako zay ao à Tamatave ao zany hira zany,misaotra ho ani nizara ny hira
( canada )
Neny593 7 months ago
Io mihintsy le hiran'ny Tahiana isaky ny mandeh KARAOKE eny rehetra eny e!!
Merci mihintsy
u7vintsy 1 year ago