Alert icon
We're changing our privacy policy. This stuff matters.  Learn more  Dismiss

Tsotr'izao - Zay

Loading...

Sign in or sign up now!
Alert icon
Upgrade to the latest Flash Player for improved playback performance. Upgrade now or more info.
5,027
Loading...
Alert icon
Sign in or sign up now!
Alert icon

Uploaded by on Apr 12, 2010

Tsy hanihany na kilalao
No mahatonga ahy hitia anao
Fa fitia avy ao am-po,
Lay tsy mba mety ho lo
Fitia tsy rendrarendra fa ho doria

Tsy haitraitra fa tena tia
Vonona mihitsy ny hiara-dia
Vonona hamafa ireo lasa, hanolotra ho anao
Fitiavana mandrakizay vaovao

Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotrizao !

Ka raha mbola misy any ho any
Manambara aminao toy izany
Ho ento aty raha sahy miteny
Hilaza ombieny ombieny
Fa manana fitia ho anao toy ny ahy !

Tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony
Irony kintana irony
No hatolotro ho anao
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fo, fanahy, saina, toetra
No homeko anao tsotrizao !

Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotrizao !

  • likes, 0 dislikes

Link to this comment:

Share to:
see all

All Comments (0)

Sign In or Sign Up now to post a comment!
Loading...
Alert icon
0 / 00Unsaved Playlist Return to active list
    1. Your queue is empty. Add videos to your queue using this button:
      or sign in to load a different list.
    Loading...Loading...Saving...
    • Clear all videos from this list
    • Learn more